<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Iray ny Ray Tsitoha,
 Mpitia olombelona ;
 Iray ny Tompo soa,
 Iray ny rano velona,
 Iray ny vavahady
 Izay idirana ;
 Ny rafy sy ny ady
 Dia iombonana,
 Iray ny fahantrana
 Ilaozantsika atý,
 Iray ny fanjakana
 Alehantsika arý.

[V2]
 Ry zana-Janahary,
 Ry voavela heloka,
 Miraisa hina ary,
 Ka mifandraisa tanana ;
 Mifamelà isika,
 Fa samy meloka ;
 Mifanajà isika,
 Fa samy zanaka.
 Ry Jeso be fitia,
 Ampio ny olonao
 Mba ho mpifankatia
 Manahaka Anao.</lyrics>
<title>Iray ny Ray Tsitoha FFPM533</title>
<hymn_number>533</hymn_number>
<author>J. Kugelmann</author>
</song>